FITOKANANA NY BIRAON’NY TRANOBEN’NY TANTSAHA MPAMOKATRA FARITRA IHOROMBE
FITOKANANA NY BIRAON’NY TRANOBEN’NY TANTSAHA MPAMOKATRA FARITRA IHOROMBE
Ny Zoma faha 21 ny volana Mai no notokanan’i Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara, A/toa ANDRY Nirina Rajoelina tamin’ny fomba ôfisialy ny Biraon’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra eto anivon’ny Faritra Ihorombe.
Ity foto-drafitr’asa ity moa no tafatsangana dia teo ny famatsiam-bola avy amin’ny Fandaharan’asa DEFIS izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary Jono.Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanolorana ny milina fanodinana sy fanadiovana menaka izay tohana avy amin’ny Fandaharan’asa ODOF.
Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana nataon’A/toa Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara no nanambarany fa eo akaikin’ny Tantsaha hatrany ny fitondram-panjakana ary vonona ny hiara-hiasa sy hanohana azy ireo hatrany amin’ny alalan’ireo tetik’asa sy Fandaharan’asa maro izay misy eto Madagasikara.
Manam-boninahitra maro no niara-dia tamin’ny Filoha nandritra ity lanonam-pitokanana ity.